Faminanian' ny Watch Tower Society tsy tanteraka

Ny faminanian' ny Watch Tower Society tsy tanteraka dia ilazana ireo faminaniana voarakitra ao amin' ny asa soratra navoakan' ny Watch Tower Bible and Tract Society momba ny fiavian'i Kristy fanindroany sy ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra izay nadrasana nefa tsy tanteraka. Ireo faminaniana ireo, raha ny tena marina, dia vokatry ny fivoasana ny andalana ara-paminaniana sy apokaliptika ao amin' ny Baiboly. Saika ireo faminaniana hoan' ny taona 1878, 1881, 1914, 1918 ary 1925 dia noraisina ho fanamafisana ny fandinihana momba ny zavatra hiseho amin' ny andro farany nataon' ny Mpianatra ny Baiboly sy ny Vavolombelon' i Jehovah, sady nilazan' izy ireo fa tanteraka nefa tsy hitan' ny maso ny ankamaroan' ireo faminaniana ireo. Nisy koa faminaniana izay niandrasana ny hisehoan' ny Haramagedona amin' ny taona 1975. Niaiky ny fahadisoany indraindray ny Watch Tower Society, nefa nilaza koa fa izany dia nanampy amin' ny fanilihana ny tsy mino.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne